Galatians 5

1Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika. Miorena tsara, noho izany, aza mety ho ao ambanin’ny ziogan’ny fanandevozana indray. 2Indro, izaho, Paoly, miteny aminareo fa raha mamela ny tenanareo ho foraina ianareo, dia tsy hahasoa anareo amin’ny fomba rehetra Kristy.

3Mijoro vavolombelona amin’ny olona tsirairay izay mamela ny tenany ho voafora indray aho fa voatery hanaraka ny lalàna rehetra izy. 4Tafasaraka tamin’i Kristy ianareo, izay te ho hamarinina amin’ny lalàna; ary tsy miaina fahasoavana intsony ianareo.

5Fa amin’ny alalan’ny Fanahy, amin’ny finoana, no hiandrasantsika fatratra ny fanantenana ny fahamarinana. 6Ao amin’i Kristy Jesosy dia tsy midika na inona na inona na voafora na tsy voafora, fa ny finoana miasa amin’ny fitiavana ihany. 7Fa nihazakazaka tsara ianareo. Iza no nisakana anareo amin’ny fankatoavana ny marina? 8Izany fandresen-dahatra izany dia tsy avy aminy ilay niantso anareo.

9Lalivay kely no mampitombo ny koba rehetra. 10Fa matoky ny Tompo aho fa tsy handray fomba fijery hafa ianareo. Fa ny iray izay mampikorontana anareo no hanefa ny sazy, na iza izy na iza.

11Ry rahalahy, raha mbola mitory ny amin’ny famorana aho, nahoana aho no mbola enjehina? Amin’izany dia ho afaka tokoa ny fahatafintohinan’ny hazo fijaliana. 12Fa ho an’ireo izay manakorontana anareo, enga anie ka hanapaka ny tenany izy ireo!

13Fa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy. Nefa aza ampiasaina ho irika amin’ny filan’ny nofo ny fahafahanareo; fa kosa, amin’ny alalan’ny fitiavana dia mifanompoa. 14Fa ny lalàna rehetra dia tanteraka ao amin’ny didy iray; ao amin’ny hoe: “Tsy maintsy mitia ny namanao tahaka ny tenanao ianao.” 15Fa raha mifanaikitra sy mifampihinana ianareo, dia mitandrema sao hifandringana.

16Fa hoy aho, mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka izay filan’ny nofo ianareo. 17Fa manohitra ny Fanahy ny filan’ny nofo, ary manohitra ny filan’ny nofo ny fanirian’ny Fanahy. Fa mifanohitra ireo, mba tsy hahafahanareo manao izay zavatra tianareo. 18Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo dia tsy ho ambanin’ny lalàna.

19Ankehitriny dia miharihary ny asan’ny filan’ny nofo: fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20fanompoan-tsampy, famosaviana, fankahalana, fifandirana, fahasarotam-piaro, fipoahan’ny fahatezerana, fifandrafiana, fisaraham-bazana, fizarazarana, 21fialonana, fahamamoana, fanakorontanana, ary ny zavatra mitovy amin’izany. Mampitandrina anareo aho, tahaka ny efa nampitandremako anareo taloha, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ireo izay mampihatra ireo zavatra ireo.

22Fa ny vokatry ny Fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, faharetana, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, 23fahalemem-panahy, ary fahafehezan-tena; tsy misy lalàna manohitra zavatra tahaka izany. 24Ireo izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny toetra feno fahotany niaraka tamin’ny fahafinaretany sy ny filany.

25Raha miaina amin’ny Fanahy isika, aoka handeha amin’ny Fanahy ihany koa. Aoka isika tsy ho lasa mpieboebo, mifandrangitra, ary mifampialona.

26

Copyright information for PltULB